<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Sambatra ny sofiko
 Fa nandre ny teny,
 Tenin'i Jesosiko,
 Tenim-pamonjeny.
 He ! izaho tiany
 Mba hiara-dia
 Sy hianatra aminy
 Ary tsy hania.

[V2]
 Sarotra ny làlako
 Sady mampanahy,
 Nefa ny Mpamonjiko
 Mahatoky ahy ;
 Vetivety foana
 Dia ho avy Izy
 Amim-boninahitra,
 Ka handray ny Azy.</lyrics>
<title>Sambatra ny sofiko FFPM334</title>
<hymn_number>334</hymn_number>
<author>Raseta, Ambato</author>
</song>